| 1 | Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo: |
| 2 | ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. |
| 3 | Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra, |
| 4 | ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- |
| 5 | famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo |
| 6 | fa zavatra marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, |
| 7 | ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny heriny, |
| 8 | amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika, |
| 9 | dia olona izay hiharan'ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, |
| 10 | raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin'ny olony masina sy higagana eo amin'izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo. |
| 11 | Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon'Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin'ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan'ny finoana, |
| 12 | mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo. |