| 1 | Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, |
| 2 | amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, |
| 3 | izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana. |
| 4 | Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, |
| 5 | satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany. |
| 6 | Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. |
| 7 | Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. |
| 8 | Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. |
| 9 | Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra. |
| 10 | Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. |
| 11 | Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro. |
| 12 | Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana. |
| 13 | Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. |
| 14 | Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona. |
| 15 | Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. |
| 16 | Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao. |