| 1 | Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. |
| 2 | Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, |
| 3 | tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, |
| 4 | mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra, |
| 5 | manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro. |
| 6 | Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro, |
| 7 | mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina. |
| 8 | Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina. |
| 9 | Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa. |
| 10 | Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, |
| 11 | ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany. |
| 12 | Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina. |
| 13 | Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina. |
| 14 | Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; |
| 15 | fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. |
| 16 | Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, |
| 17 | mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra. |