| 1 | Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema; |
| 2 | ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. |
| 3 | Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara, |
| 4 | mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, |
| 5 | hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra. |
| 6 | Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena; |
| 7 | ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana, |
| 8 | ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. |
| 9 | Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, |
| 10 | tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra. |
| 11 | Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, |
| 12 | mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao, |
| 13 | miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, |
| 14 | Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany. |
| 15 | Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao. |