| 1 | Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; |
| 2 | dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, |
| 3 | Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo |
| 4 | ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. |
| 5 | Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) |
| 6 | Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). |
| 7 | Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4). |
| 8 | Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; |
| 9 | Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7). |
| 10 | Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra; |
| 11 | Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, |
| 12 | Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27). |
| 13 | Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.) |
| 14 | Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? |