| 1 | Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, |
| 2 | Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra. |
| 3 | Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. |
| 4 | Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. |
| 5 | Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; |
| 6 | fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. |
| 7 | Koa araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, |
| 8 | Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany an-efitra, |
| 9 | Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy. |
| 10 | Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako; |
| 11 | Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11). |
| 12 | Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona; |
| 13 | fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota. |
| 14 | Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany; |
| 15 | raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8). |
| 16 | Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va? |
| 17 | Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny? |
| 18 | Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky? |
| 19 | Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany. |