| 1 | Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra, |
| 2 | ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. |
| 3 | Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra. |
| 4 | Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina |
| 5 | ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, |
| 6 | nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. |
| 7 | Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra; |
| 8 | fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana. |
| 9 | Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena. |
| 10 | Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany. |
| 11 | Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany; |
| 12 | mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana. |
| 13 | Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy |
| 14 | ka nanao hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17). |
| 15 | Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana. |
| 16 | Fa ny olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra. |
| 17 | Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany, |
| 18 | mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, |
| 19 | izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny efitra lamba; |
| 20 | tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy. |