| 1 | Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo? |
| 2 | Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. |
| 3 | Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo. |
| 4 | Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. |
| 5 | Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro. |
| 6 | Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). |
| 7 | Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. |
| 8 | Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. |
| 9 | Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. |
| 10 | Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. |
| 11 | Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara. |
| 12 | Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao? |
| 13 | He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, |
| 14 | kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. |
| 15 | Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany. |
| 16 | Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. |
| 17 | Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany. |