1 | Izaho loholona mamangy an'itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) |
2 | noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: |
3 | ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana. |
4 | Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray. |
5 | Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. |
6 | Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy. |
7 | Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. |
8 | Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. |
9 | Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka. |
10 | Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; |
11 | fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy ataony. |
12 | Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo. |
13 | Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao. |