Jesus · Bible · HTML · CSS · JS · PHP · SVG · Applications

1 Samoela 13

1Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
2Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin'ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin'ny tany havoan'i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin'i Jonatana tany Gibean'ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
3Ary Jonatana namely ny miaramilan'ny Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
4Dia ren'ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia halan'ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any Gilgala.
5Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin'ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan'i Betavena.
6Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin'ny kirihitrala sy tany, amin'ny harambato sy tany amin'ny fierena ary tany amin'ny lavaka famorian-drano izy.
7Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an'i Jordana nankany amin'ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany.
8Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana nataon'i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an'i Saoly.
9Ary hoy Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana izy.
10Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy.
11Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin'ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina,
12dia hoy izaho: Hidina amin'izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin'i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana.
13Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin'ny Isiraely ho mandrakizay.
14Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin'i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah anao ianao.
15Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.
16Ary raha mbola nitoetra tany Gibean'ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin'izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
17dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin'ny tobin'ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin'ny lalana mankany Ofra ho any amin'ny tany Solala;
18ary ny iray toko nizotra ho any amin'ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin'ny lalana mankany amin'ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboima tandrifin'ny efitra.
19Ary teny amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo.
20Ka dia samy nidina ho any amin'ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny.
21Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.
22Ary tamin'ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.
23Ary ny avy tao amin'ny miaramilan'ny Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany. Mikmasy.
HomeMenu